Ny 10 Febroary 2026 no niditra an-tanety tao amin'ny tanan'ny Toamasina ny rivodoza Gezani.
Namela takaitra mafy ny fandalovan'ity rivodoza ity. 59 ireo namoy ny ainy, 15 ireo mbola karohina, 804 no naratra mafy ary 16,428 no isan'ireo traboina voatery nifindra toerana.
Ka mba ho soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra dia nanao antso ho amin'ny tolon-tanana ny MKDD (Fikambanan'ny Malagasy eto Torkia). Izany tolon-tanana izany dia hatolotra ny BNGRC entina hanampina ireo traboina.
MKDD 2026.




